Proverbs 23

1Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao
Na: anoloanao.
,
2Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao. 3Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany. 4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao. 5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra. 6Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny; 7Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao. 8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao. 9Aza miteny amin’
Heb an-tsofin’
ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.
10Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’
Heb miditra amin’
ny sahan’ ny kamboty;
11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao. 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao. 13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza
Na: Fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo.
;
14Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
ny fanahiny.
15Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; 16Eny, ho ravoravo ny fanahiko
Heb voako.
, Raha miteny marina ny molotrao.
17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro; 18Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao. 19Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao. 20Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; 21Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. 22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. 23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. 24Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. 25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao. 26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako
Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lalako.
;
27Fa ny vehivavy jejo
Heb vehivavy tsy vadiny.
dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika. 29An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena
Na: manjambena.
?
30An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. 31Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy
Heb kapoaka.
Ary ny fikoriany mahafinaritra;
32Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. 33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo
Heb vehivavy tsy vadiny.
, Ary ny fonao hieritreri-dratsy
Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana.
.
34Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo. 35Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?

Copyright information for Mg1865